« Salon de l’auto » 2024 : Zava-baovao ny fiara mandeha amin’ny herinaratra

Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao ny hetsika « Salon de l’auto 2024 ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fisian’ireo fiara elektrika, izany hoe, mandeha amin’ny herinaratra, manaja ny tontolo iainana.

Mikarakara ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM). Nasongadin’ny filohany, Fré­déric Schaffner, fa mampiavaka azy ireo, mpanafatra fiara vaovao avokoa ny mpikambana, miisa 10. Manana ny lanjany eo amin’ny toekarena ny GCAM, satria izy ireo no miantoka ny 85 hatramin’ny 90% ny varotra fiara vaovao. Mahatratra 1 000 miliara Ar isan-taona ny vola kirakirainy isan-taona, izay tena mampiditra hetra ho an’ny fanjakana.
Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe : « fahafahana mi­he­tsika sady maharitra » (Mo­bilité et Durabilité). Miahy azy ny minisiteran’ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), sy ny ao amin’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Zava-dehibe ho an’ny minisitera Medd ny fitsinjovana ny tontolo iainana, satria anisan’ny fitaovam-pitaterana manaparitaka entona karbona (CO2) ny solika mampandeha ny fiara, indrindra ny moto scooter 2T. Koa, zava-baovao amin’ity andiany faha-14 ny fampisehoana ny fiara mandeha amin’ny herinaratra, na fiara elektrika. Vao roa volana lasa izay no nandinihin’ireo mpisehatra voakasika, ny hamolavolana ny lalàna lasitra mifehy ny fiara elektrika.
Fampandrosoana ara-toekarena
Efa nanohana ny hetsika hatramin’izay ny Telma. Sa­tria, araka ny teny filamatrany hoe « Isika iray », dia fanehoany ny firaisankinany amin’ny mpikarakara ny firaisana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny andraikitra ara-tsosialy (RSE). Marihina fa misy ny lalao Tombola ma­hakasika ny « Salon de l’Au­to ».
Mpanohana mivantana ny orinasa Telma ary mpiara-miombon’antoka ny banky AFG Bank, ny banky BOA, ny banky SG Madagasikara, ny Allianz, ny Jovena ary ny orinasa Vivo Energy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: