SOMBIM-BAOVAO

Hifarana anio, eny Soavina, ny fiadiana ny amboaran’ny « Island Padel Cup », andiany voalohany. Hiady ny amboara amin’izany, ny nosy rahavavy La Reunion sy ny ekipam-pirenena malagasy. Firenena telo no mandray anjara amin’ity. Ankoatra an’i Madagasikara sy La Reunion, nifanintsana tao ihany koa i Maurice, saingy efa nihintsina izy ireo.

Araka ny fanambarana navoakan’ny Federa­siona malagasin’ny taranja Moto (FMaM), omaly, tao anaty tambajotra-tserasera, hanomboka ny 21 hatramin’ny 22 septambra ho avy izao, any Ampefy, ny fifaninanana 6Heures FMaM. Tsiahivina fa afaka handraisan’ny olona rehetra anjara ity fifanintsanana ity.

Miatrika ny Kongresy iraisam-pirenena momba ny taranja Volley ball, tanterahina any Maraoka i Madagasikara. Ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Volley Ball, Raharimalala Léa no misolo tena an’i Madagasikara any an-toerana. Hitondra fampivoarana ity taranja ity ny fiatrehana izao Kongresy iraisam-pirenena izao.

Nanavao ny fifanaraham-piaraha-miasa, oma­ly, ny Canal + sy ny Federasiona malagasin’ ny basikety. Fifanaraham-piaraha-miasa iray taona indray nosoniavina. Maro ny fifaninanana taranja basikety, notohanan’ny Canal + ary mbola vonona izy ireo ny hanohy izany amin’iny taona 2025 iny, noho ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro hatrehan’i Madagasikara.

Partager sur: