Taom-pianarana 2024 – 2025: tsy mahazo laka ny kolontsaina

Na efa maro aza ireo nangataka ny hanovana ifotony ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara. Hatramin’izao, mbola tsy nahazo valiny mazava izy ireny. Omeo lanja ny fanabeazana miompana amin’ny fahalalana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Tsy nisy zava-baovao maneho fa miroso mankany ny fanabeazana ny taranaka malagasy.
Andro vitsy sisa no isaina, hiditra any an-tsekoly indray ny mpianatra. Ny finiavan’ny mpampianatra hampita ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny fomba amam-panao ho an’ny mpianany no vahaolana. Na, tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana aza izany, mila mandray andraikitra sy manefa adidy ny mpampianatra. Tsy azera any amin’ny mpampianatra taranja malagasy irery ihany ny fanatanterahina io paikady io fa ny mpampianatra taranja rehetra mihitsy. Mialoha ny hanombohana ny fampianarana taranja iray, manana adidy hiresaka momba ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny fomba amam-panao ny mpampianatra tsirairay. Dimy minitra, efa hampiova sy hampitombo fahalalana maro ho an’ny mpianatra tsirairay.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: