« Andeha hidera azy ». Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, iarahana amin’ny antokom-pihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny tarika izy ity, handrenesana ireo hira nankafizana sy nahafantarana ny tarika hatramin’izay.
Rahampitso tolakandro, eny amin’ny CCEsca Antanimena, no hanatontosana ny fampisehoana iarahana amin’i Henri Ratsimbazafy. Hifampizara sehatra aminy amin’izany i Voahirana sy Mahery ary Lily. Hiavaka tanteraka ity fampisehoana ity satria anisan’ny Malagasy mpanakanto efa zokiny tokoa raha i Henry Ratsimbazafy.
Hiaka-tsehatra eny Antsahamanitra rahampitso ny tarika Tselatra. Fampisehoana efa nandrasan’ny mpankafy maro, hatramin’izay fotoana lava tsy nahitana ny tarika izay. Efa vonona izy ireo hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hanao ity fampisehoana ity ho fahatsiarovana mipetraka.
Tontosaina eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy, ny alahady 8 septambra 2024, ny “Asia Gasy Festival”, andiany faharoa. Hetsika hampiratiana sy hampahafantarana ireo kolontsaina Aziatika sy Malagasy, maro samihafa. Anisan’izany ny dihy sy ny hira ary ny fiakanjo. Ho hita mandritra izany ny vakodrazana, Muzan Show…