Tetikasa « Sorebe »: nampitaovana ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina

Ho famaranana ny tetikasa “Sorebe” niarahana amin’ ny OIM sy ny BNGRC, nanolotra ordinatera sy kojakoja momba ny fikirakirana ny teknolojia vaovao ny OIM, teny Andrainarivo, tamin’ity herinandro ity. Tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney vola, tao anatin’ny roa taona, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ho an’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsina­nana. Ampiasaina mialoha sy mandritra ary aorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny fiatrehana ny voina samihafa ireo fitaovana ireo ho an’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, any amin’ireo faritra voalaza. Ho an’ny foibe kosa ny an’ny BNGRC. “Tokony ho antontan-kevitra tokana no ampiasaina momba ny olona tena marefo eto Madaga­sikara ka handrindrana ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera voakasika ireo fitaovana vao azo”, hoy ny minisitry ny Mponina. Misehatra miaraka eny ifotony ny ekipan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina rehefa miseho ny loza sy ny voina eto amintsika. 4 000 ny olona nafindra toerana vokatry ny rivodoza niantefan’ny tetikasa ary 1 000 ireo vondron’olona nandray ireo mpifindra monina.
Zava-dehibe koa ny fiomanana sy ny fanofanana ny mpisehatra ka hanampy ny fahazoana fitaovana informatika. “Efa nisy ny fakana antontanisa sy hevitra teny ifotony taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ho an’ireo faritra ireo nahafahana nijery ny fiarenan’ny mponina. Nanohana tamin’ny fanamboarana tsena koa ny tetikasa Sorebe tany Mananjary sy Manakara”, hoy ny masiovoho japoney eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: