Vehivavy iray hita faty vao maraina teny Antohomadinika Atsimo, omaly. Raha ny fahitana ny razana teny an-toerana, tsy misy akanjo intsony ny tapany ambany. Ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa naolana izy mialoha ny namonoan’ireo olon-dratsy azy. Andrasana ny tohin’ny famotorana.
Nilatsahan’ny taribin-jiron’ny Jirama ny olona roa tany Ambodisatrana Sambava, omaly antoandro. Nilatsaka tampoka ilay tariby mitondra herinaratra mahery vaika ka nilatsaka tamin’ireo olona roa nandeha an-tongotra. Vokany, natsipin’ilay taribin-jiro izy ireo ka torana tsy nahatsiaro tena. Nentina haingana namonjy hopitaly ka avotra soa aman-tsara ihany.
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4), omaly vao maraina. Niharan-doza teo amin’ny tetezana Andranofasika ny fiara Sprinter iray nitondra fianakaviana avy niala sasatra tany Mahajanga. Naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpianakavy tao anaty fiara. Nentina namonjy hopitaly ireo naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ity loza ity.
Natelin’ny ranomasina tao Antsahanitia, afakomaly hariva, ny raim-pianakaviana iray niala sasatra tao Mahajanga. Teo amin’ny vinany fihaonan’ny ranomasina sy ny ranomamy no nilomano izy telo mianaka. Niakatra tampoka anefa ny rano. Satria, efa somary hariva ny andro ka tafiditra tany amin’ny faritry ny vinany izy ireo. Lasan’ny rano ny ankizilahy iray ka nanavotra azy ity raim-pianakaviana ity. Vokany, izy indray no natelin’ny rano.