VAOVAO TAMBATRA

Hohatsaraina sady hitarina miakandrefana hatreny Ivato ny arabe « Rocade Iarivo ». tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, amin’ny aogositra 2025, izay hatao eto Antananarivo. Nijery ifotony teny amin’ny lalana Tsarasaotra hatrany Ivato ny tompon’andraikitra voakasika avy amin’ny minisitera dimy, omaly.

Hamafisina ny fiaraovana ara-toekarena eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Namory ireo mpisehatra vokasik’izany eny an-toerana, ny 5 septambra teo, ny fitantanana foibe ny Fadin-tseranana. Satria, vavahady fidirana sy fivoahan’ny olona sy ny entana eto amin’ny firenena ity toerana saro-pady ity. Ao anatin’izany ny fisorohana ny loza mitatao, ka mila fiarovana sy ady amin’ny fanondranana antsokosoko.

Tanàn-dehibe manan-karena orinasa i Antsi­rabe saingy mandringa ny orinasa, maharary ny toekaren’ny faritra. Vahaolana ny fiaraha-mientana, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpandraharaha ho an’ny fampirobroboana ny fihariana. Hisy ny lohahevitra sy hovelabelarina momba ny fandraharahana mandritra ny Vitrine de Vakinankaratra atao ao an-toerana. Marihina fa miisa 247 ireo trano heva hampiranty ny vokany mandritra ny hetsika.

Partager sur: