Nosakanan’ny andian-dahalo ampolony nirongo basy tany amin’ny lalana mihazo an’i Tanandava, kaominina ambanivohitr’i Fanjakana, distrika Beroroha, ny fiara mpitatitra iray ny faran’ny herinandro teo. Nalain’izy ireo an-keriny tamin’izany ny mpamily mpanampy ka nitakian’ireo malaso vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny fianakaviany mba ho takalon’ny famerenana azy. Nifanome tanana ny Tafika ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Fiherenana niaraka tamin’ny zandary sy ny fokonolona tao an-toerana. Nisy kosa ny fampandrenesana ny fokontany manodidina mba hiambina ny kizo mety handalovan’ireo olon-dratsy. Nametraka vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tratra tao anatin’izany ny dahalo fantatra amin’ny anarana hoe André, mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpaka an-keriny. Avotra soa aman-tsara koa i Samson, ilay mpamily mpanampy nalain’izy ireo an-keriny. Tsy nahazo ny vola notadiaviny, araka izany, ireo dahalo. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana.
J.C