Hotanterahina any Budapest, Hongrie, ny 10 hatramin’ny 23 septambra izao, ny andiany faha-45 amin’ny “Olympiades d’Echecs”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara.
Atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no hihazo an’i Budapest hiatrika ny «Olympiades d’Echecs», mandritra ny tapa-bolana. Avy eto an-toerana avokoa ny 8 amin’izy ireo, raha toa ka mpilalao lalaon-tsaina, Échecs, malagasy monina any Frantsa kosa ny iray amin’ireo, dia Rakotomaharo Fy izany. Araka ny efa fantatra, fifaninanana anisan’ny tena zava-dehibe ho an’i Fy ity hatrehiny ity. Efa nambarany, tamin’ny fiandohan’ity taona 2024 ity, fa haka ny Elo hiakarany ho “Grand Maître International” izy amin’ity taona ity. Fifaninanana hahafahana mameno izany Elo izany ity ho hatrehiny any Budapest ity. Ho an’ireo mpilalao hafa kosa, samy hiezaka hampitombo ny isany avokoa izy ireo amin’io fifaninanana io hahafahana maka traikefa amin’ireo kalaza amin’ny taranja lalaon-tsaina maneran-tany. Ny fifaninanam-pirenena efa natao volana vitsy lasa izay no nitiliana sy nitsapana azy 8 mianadahy hisolontena an’i Madagasikara ireo. Anisan’ny handray anjara ilay tovovavy kely vao 13 taona monja, i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra, izay efa tompondaka an’i Afrika sy nahazo medaly alimo nandritra ny lalao Afrikanina natao farany teo, tany Ghana. Vao avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao teto Madagasikara, ny volana janoary lasa teo, avokoa ny ankamaroan’ireto solontena malagasy ireto no sady efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena.
Mi.Raz
Ireo atleta malagasy ho any Hongrie
Lehilahy: Rakotomaharo Fy, Razanadrakotoarisoa Toavina, Andrianiaina Heritiana, Andriamasoandro Miora, Rakotomaharavao Dylan
Vehivavy :Ravelomanana Sabi, Raharimanana Faratiana, Randriatsiferana Dimbiharentsoa, Tsinjoniavo Aina Mahasambatra