Tontosa omaly, teny amin’ny fasam-pianakaviana « Makpela » Anjanahary, ny fametrahana ny nofo mangatsiakan’Andriamanantena Solofo Andry na i A. S. Andry. Raha tsiahivina, ny alarobia 4 septambra teo no nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-72 taonany izy. Ny paikafo atao amin’ny takelaka hazo no tena nahafantarana azy. Ankoatra io, niantsa ny tononkalon’i Rado, izay rainy rahateo, koa i A.S.Andry.
Tsy azo teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza ny zavakanto sy ny kolontsaina. Amin’ny ankapobeny, samy nomen’Ilay Nahary talenta ny olombelona tsirairay. Raha tontosa ny mitrandraka sy mampiasa azy ireny, mipoitra ety ivelany. Raha tsy mifanitsy amin’ izay eritreretin’ny tsirairay ho talentany kosa anefa no harantirantiny, mandringa ny tranga miseho. Ny tsy havanana amin’ny fihirana, mety hivalam-peo…
Tontosa soamantsara tany Paris, renivohitr’i Frantsa, ny fankalazana ny faha-6 taonan’ny tarika Baobaba. Tamin’ny alalan’ny fampisehoana notanterahina tao amin’ny Lapa Event no nanamarihana izany. Nizara roa ny seho ka ny tapany voalohany, nanoloran’i Haingo sy ny ekipany ireo hira nahafantarana ny tarika Baobaba. Ny fizarana faharoa, nihanohana ny hira kaiamba.
Manan-karena ny kolontsaina malagasy. Na izany aza, hatramin’izao, mbola vitsy ihany ireo misitraka izany. Na ny mpanakanto, na ny firenena, tsy ahatazanana fa haren’i Madagasikara ireo kolontsaina sy zavakanto mifanaretsaka ao aminy. Mbola ny vahiny indray aza no mahazo tombony avy amin’ny fitrandrahana azy ireny aty an-toerana sy ny fanapariahana izany any ivelany