Ady amin’ny kolikoly: nisy ny fanaovan-tsonia teo amin’ny MFFT sy ny TI-MG

Hiara-miasa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) Transparency International Madagascar (TI-IM). Hiara-miady amin’ny kolikoly izy ireo.

Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny minisiteran’ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny MFFT sy ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM). Nanao sonia izany fifanarahana izany ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsito­haina Naina, sy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny TI-IM. Tanjon’ny fifanarahana ny hanamafisana ny fitondrana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Minisitera voalohany na­na­tanteraka ny dingana miompana amin’ny fanamafisana ny fitondrana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ny MFFT. Fifanarahana mifandraika amin’ny tetikasa “Land and Corruption in Africa II” (LCA II) ity niarahana tamin’ny TI-IM ity. Mizara foto-kevitra telo lehibe izany tetikasa izany. Voalohany amin’izany ny fanohanana ny mponina izay tratran’ny trangana kolikoly eo amin’ny sehatry ny fananan-tany. Manaraka izany ny fifampizarana ny zavatra tena misy marina eny ifotony ary farany ny fisoloana vava ny vahoaka.
Anisan’ny andry lehibe ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsara tantana. “Ady iraisana ny famongorana ny kolikoly fa tsy vitan’ny irery ka mila atao anaty fitoniana sy ilana ny fiaraha-mientan’ny isan’ambaratonga rehetra”, hoy Andrian­tsitohaina Naina. Tanjona ao anatin’izany ny fametrahana ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Lin

Partager sur: