Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. Niaro tena, nifitifitra ny polisy. Vokany, lavon’ny bala io dahalo io. Nahatrarana basy mahery vaika iray niampy bala teny aminy.   Nitsoaka ireo namany. Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ilay tanàna notafihiny izy fito lahy. Mitohy ny hazalambo ataon’ny manam-pahefana. Manentana ny fokonolona hanome loharanom-baovao mari-pototra azy ireo ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: