Nanaporofo ny fivoarana nentin’ny tetikasa Usaid Acces eny amin’ireo tobim-pahasalamana eny fitony ny CSB Farahalana, distrika Sambava, faritra Sava, tarihin’ny Dr Charles Jean Didier.
Nitombo ny fahavitrihan’ny olona manatona tobim-pahasalamana. Misy tsy tapaka ny fanafody satria efa nahavita fiofanana amin’ny fitantanana fanafody ny ekipan’ny CSBII. Vita tsara ihany koa ny fotodrafitrasa ary arifomba ny fitaovana. Teo aloha anefa, zara raha misy olona tonga manatona ny tobim-pahasalamana noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampian’ny karazam-panafody fototra.
Nihatsara ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Mijoro ho nahita fahombiazana ihany koa ny mpanentana ara-pahasalamana, i Be Claudric, ao amin’ny kaominina Ampohibe, distrika Antalaha. Tonga tsy tapaka ny fanafody ahafahana mandray an-tanana ireo ankizy latsaky ny 5 taona mandalo tsy fahasalamana. Eo koa ny fanafody ho an’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Nampitombo traikefa ny fiofanana nomen’ny Usaid Access amin’ ny teknikam-panentanana sy fandresen-dahatra hanatonan’ny olona tobim-pahasalamana…
Samy naneho fahavononana ny hanohy ny asa fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana miainga eny ifotony ny mpiantsehatra. Nanamafy izany ny governoran’ny faritra Sava, i Seramila Teddy Gervais, fa hitsangana ny vaomiera ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka hanohizana ny ezaka natomboka rehetra. Ny hananana fahaleovantena ara-piovana rahateo no tanjon’ny tetikasa tamin’ireo faritra rehetra niasa.
Tatiana A