Emirates: Nahita ny hatsaran’ny Nosy ny « influenceurs » vahiny

Tapitra ny 7 septambra teo, ny dia manokana noka­rakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), ho an’ny zotra mivantana Antananarivo-Dubai, an’ny kaompania Emirates. Nitety ireo toerana mahaliana amin’ny fizahantany eto Ma­dagasikara ny olo-malaza samihafa sy ny mpanao gazety vahiny iraisam-pirenena. Anisan’izany, i Sam Chui, fanta-daza amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka, i Mohanad Al Hattab, mpilalao sarimihetsika sady fanta-daza amin’ny tambajotra sosialy. Eo koa, i Nicola Chilton, mpanao gazety amin’ny gazety boky Condé Nast Traveller, Afar, Times Travel & Depar­tures. An-tapitrisany maro ny olona mpanaraka azy ireo amin’ny tambajotra sosialy.
Hitatitra sy hanapariaka ny zavatra hitany ireo toerana mahaliana amin’ny fizahantany sy ny tontolo zavaboahary izy ireo, toy, ny varika, ny morontsiraka, ny vakoka eto Antananarivo, Antsiranana, Nosy Be, sns.

Njaka A.

Partager sur: