“Tanàn-dehibe manan-karena orinasa Antsirabe, saingy marary ny orinasa ary marefo ny toekaren’ny faritra. Vahaolana ny fiaraha-mientana, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo samy mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra (Fiova), Ramarojaona Andrianjafy, nandritra ny fanokafana ny hetsika «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-26, ny herinandro teo. Mitondra lohahevitra amin’izao hetsika izao ny Fiova mba hahafahan’ny tsirairay mitady lalana sy hampandroso ny fandraharahana, araka ny fanazavana voaray. Ilain’ny mpandraharaha ny mifampidinika sy mifanakalo hevitra mba hampandroso ny seha-pihariana ataony sy ny toekaren’ny faritra.
Tsiahivina fa natao teo amin’ny Avenue de la Gare, ny herinandro teo, ny Vitrine du Vakinankaratra. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny “Famokarana entana sy raharaha mitodika amin’ny tsena : ho amin’ny fitomboana maharitra”.
Hetsika ara-toekarena nanandratra avo ny vokatry ny fambolena sy ny indostria ao an-toerana ity natao ity. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity andiany ity noho izy nitodika nankany amin’ny tsena. Marihina fa miisa 274 ireo tranoheva nampiranty sy nampahafantatra ny vokatra nataony.
Henintsoa H.