Mitaky andraikitra amin’ny rehetra ny fanentanana momba ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Manana adidy ireo raiamandreny to teny eny amin’ny fiarahamonina.
Anisan’ny voizin’ny fanjakana ankehitriny ny tokony hampiasana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ialana amin’ny vohoka tsy iriana na ny fiterahana be loatra kanefa tsizarizary.
Mbola maro anefa ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy manatanteraka izany, indrindra ireo mipetraka any ambanivohitra sy mbola mitazona mafy ny fomban-tany. Anisan’ny sakana ny kolontsaina, finoana ary ny fomban-drazana. Eo koa ny tsy fahampian’ny faharesen-dahatra ka miteraka fisalasalana amin’ny fampiasana izany.
Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa tokony hijoro ireo raiamandreny to teny eny anivon’ny fiarahamonina, ireo mpitondra fivavahana, raiamandreny ara-drazana mba hanampy amin’ny fanentanana amin’ny fampiasana ny fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Mbola misy miteraka hatramin’ny 7 sy 10 ny vehivavy iray amin’izao fotoana noho ny tsy fampiasana fomba fandrindrana fiterahana.
Sahirana amin’ny famelomana ny ankohonana ary lasa tsizarizary ny fikarakarana azy ireo.
Tsy tomombana ny fampianarana, any ambanivohitra matetika dia lasa manampy ny ray aman-dreny amin’ny fivelomana ireo ankizy mamelona ireo zandriny. Manahirana ny mitaiza zaza maro indrindra raha sarotra ny fitadiavana.
Mahatsapa ny hasarobidin’ny fiainam-pianakaviana anefa izy ireny ary maniry ny hirindran’ny fiterahana rehefa nampahafantarina azy ireo ny maha-zava-dehibe izany.
Sady mandrindra ny zaza ateraka no isorohana ny vohoka tsy irina ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Ho an’ny tanora ihany koa dia hisorohana ny vohoka aloha loatra ary mampisy fitoniana kokoa ny fanaovana izany raha ny hevitr’ireo efa mampiasa izany.
Tatiana A