Fanjifana: tafakatra 3 500 Ar ny kilaon’ ny vary makalioka

Tsy mitsaha-misondrotra ny vidim-bary avy eto an-toerana. Nidina kosa ny vidin’ny legioma, toy ny tongolobe, ohatra.

Manomboka ny fotoan’ny maitsoahitra. Anisan’ny ahitana taratra izany ny fisondrotan’ny vidim-bary. Tafakatra hatramin’ny 3 500 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena (Manalalondo, Mangamila) sy ny makalioka, izany hoe, 1 000 Ar ny kapoaka. Efa 3 700 Ar ihany koa ny vary «stock» avy any ivelany, na 1 100 Ar ny kapoaka.
Nambaran’ny mpaninjara iray eny Analakely, fa nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo no niakatra ny vidiny tany amin’ny mpamongady, izay mbola 3 000 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena sy ny makalioka, ary 3 400 Ar ny vary «stock». Nanamarina izany ny mpamongady eny Anosibe, fa mihena ny tahirim-bary avy any ifotony, toy ny vary Manalalondo Arivonimamo, sy ny makalioka avy any Alaotra.
Anisan’ny nisondrotra ho 820 Ar ny vidin’ny atody iray eny Analakely, raha 750 Ar hatramin’ny 800 Ar ny eny Andravoahangy. Mihalafo ny vidin’ny katsaka, foton-tsakafon’ny akoho mpanatody lava, no mahatonga izany, hoy ny mpivarotra.
Nidina ho 2 500 Ar/kg ny tongolobe
Etsy ankilany, midina tsikelikely hatrany ny vidin’ny legioma, indrindra ny tongolobe. Efa 2 500 Ar hatramin’ny 3 000 Ar ny kilao eny Andravoahangy, nanomboka omaly, raha 3 500 Ar tamin’ny herinandro teo. Tsiahivina fa efa tafakatra 6 000 Ar hatramin’ny 7 000 Ar ny kilao nanomboka tamin’ny volana avrily teo. Nilaza i Sitraka, mpaninjara eny Andravoahangy, fa efa miakatra ny vokatra avy any Mampikony sy Morondava, mahatonga izao fihenam-bidy izao.
Nidina koa ny vidin’ny legioma samihafa, lasa 1 200 Ar ny kilaon’ny karaoty, 500 Ar ny kapoakan’ny Petit pois, 1 600 Ar ny kilaon’ny ovy, 2 500 Ar ny kilaon’ny voatabia, sns. «Fotoana fiakaran’ireo vokatra ireo izao», hoy ihany ny mpivarotra etsy Andravoahangy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: