FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny faran’ny herinandro teo. Nampahery ireo mpitsara mpiandry raharaha mikarakara ny fandraisana fangatahana “casier judiciaire” sy “certificat de nationalité”, izay manampy amin’ny fanamarinana ny maha olom-pirenena sy ny toetra manokana amin’ny fifidianana izy tamin’izany.
Mampiteny ny moana ny trangana tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Betroka, araka ny nambaran’ny depiote voafidy ao an-toerana, Randrianasolo Jean Nicolas. Antso avo amin’ny mpikamban’ny OMC ao an-toerana no ataony. Maromaro ny fahafatesan’olona, nefa tsy misy tohiny ny raharaha: tsy misy vokany ny fanadihadiana.
Tanora malagasy miisa dimy no handray anjara amin’ny “Sommet de l’Avenir”, atao any amin’ny foiben’ny Firenena mikambana, New York, ny 20 hatramin’ny 23 septambra 2024. Mpitondra fanjakana, avy amina firenena maro, no handray anjara amin’izany fihaonana izany. Tanjon’ny fihaonana ny hametraka hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny taranaka. Hisy ny fifanarahana hatao mahakasika ny fametrahana izany mandritra ity fihaonambe ity.
Mbola vitsy ny kandidà nanatitra ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiny, teny anivon’ny Ovec, isaky ny distrika, tao anatin’izay 4 andro nisokafan’ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izay. Efa maro anefa ireo nanambara ny filatsahan-kofidiny.

Partager sur: