Ady sahala no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ity fifanintsanana handraisana anjara amin’ny « Can 2025 » ity. Manana isa iray ny Barea, taorian’izay lalao roa natao izay.
Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Hamadi Aguerbi Rades Tunisie, ny andro faharoan’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc, ho an’ny vondrona “A”. Farany ao amin’ity sokajy ity ny Barean’i Madagasikara, rehefa nanao ady sahala 1 no ho 1, tamin’ny Coelacanthes Comores. Mitana ny isa iray izy ireo.
Raha hiverenana ny fifanandrinana tany an-toerana, manantombo amin’ny fitazonam-baolina sy ny rindram-panafihana ny ekipa nasionaly malagasy. Folo minitra nanombohan’ny lalao, nahatafiditra baolina i Carolus, lohalaharan’ny Barea. Taorian’izay, tsy nitsahatra nanafika ry zareo kaomorianina. Teo amin’ny minitra faha-40, nahasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe i M’Changama, mpilalaon’i Comores, rehefa nisy fahadisoana nataon’ireo vodilaharana malagasy. Io isa 1 no ho 1, nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nandritra ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanova paikady ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Nesorina i Lapoussin sy i Amada ary i Arnaud, nampidirina i El Hadari sy i Tendry ary i Caddy Warren. Tsy nampiova ny vokatra anefa izany, fa nijanona tamin’io ihany ny isa.
“Mbola betsaka ny lesoka tokony harenina. Mbola manana lalao dimy hatrehina ny Barea, hiasa sahady izahay. Hisy ny mpilalao vaovao”, hoy ny Coach Rôrô.
Ady sahala tokana
Tsara ny mampahatsiahy fa ady sahala tokana sy faharesena iray no azon’i Madagasikara, nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ity fifanintsanana “Can 2025” ity. Teo amin’ny lalao voalohany, niondrika teo anatrehan’i Tunisie, 1 no ho 0, i Madagasikara. Nanao sahala 1 no ho 1, tamin’i Comores, ny faharoa. Ny volana oktobra ho avy izao, hifandona amin’i Gambie ny Barean’i Madagasikara, raha tsy misy ny fiovana dia hatao any Maroc izany.
Fitia Randria