Fivoriambe Africa 50: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa

Hotanterahina ny 19 septambra, eto Antananarivo, ny fivoriambe Africa 50 izay handraisan’ireo tomponandraiki-panjakana anjara sy mpamatsy vola samihafa. Laharam-pahamehan’ny Africa 50 ny fametrahana fotodrafitrasa aty Africa. Sehatra iray lehibe sy fitaovana fampiharana vaovao ho an’ny fampandrosoana sy famatsiam-bolan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Ifantohan’ny Arica 50 manokana ny sehatry ny angovo, ny fitaterana, ny teknolojia (Tic) ary ny rano. Miisa 31 ireo firenena handray anjara amin’ity fivoriambe ity. «Noforonina sy natao hiantoka ny fanatsarana sy ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa aty Afrika ny Africa 50», hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Hojerena manokana ihany koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Tombony ho an’i Madagasi­kara ny fandraisana ny fivoriamben’ny Africa 50, hampahafantarana an’ireo mpamatsy vola eto an-toerana sy avy any ivelany ireo akora fototra azo trandrahina.
Fotoana iray hampivondrona ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Africa 50 ny fivoriambe.

Henintsoa H.

Partager sur: