Kianja mitafo Mahajanga : vita ny 97% ny fanamboarana

Anisan’ireo faritra nananganan’ny fitondram-panjakana kianja mitafo, ny faritan’i Mahajanga. Efa anatin’ny famaranana ny asa fanamboarana amin’izao ary efa vita ny 97 isan-jato, raha ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Adbulah Marson Moustapha, tany an-toerana. Ny 10 isan-jato sisa no vitaina, hanaovana ny famaranana ny asa sy fanatsarana ny endrika ivelan’ny kianja. Tsiahivina fa kianja mitafo mahazaka mpijery 4 000 no natsangana ary atao manara-penitra tanteraka, araka ny fanamby sy vina napetraka. Marihina fa ahitana « vestiaires » natokana ho an’ny atleta, ho an’ny mpitsara, ho an’ny lafiny fitsaboana ary efitra ho an’ny ady amin’ny fampiasana “dopage” ity kianja mitafo ity. Manana efitra lehibe ihany koa, ahitana « salle de musculation » ary efitra malalaka fitahirizina sy fanatobiana entana na fitaovana ara-panatanjahantena. Nanararaotra nihaona tamin’ireo olobe ao Mahajanga ny minisitra, nandritra ity fidinana ifotony nataony ity, ary vonona hifanampy amin’ny MJS ireo olo-manan-kaja maro any an-toerana.

Mi.Raz

Partager sur: