Madagasikara- Chine: hampiroborobo ny voly vary safiotra

Laharam-pahamehan’i Madagasikara ny hamokatra vary safiotra. Tanjona ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Iaharana miasa amin’ny Chine ny fanaovana izany.

Tontosa omaly, tany Chi­ne, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Chine mom­ba ny voly vary safiotra. Ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahin’ny Avo, no nanao sonia izany, amin’ny anaran’ny go­vernemanta malagasy. Yuan Dingan Longping, Tale jeneralin’ny orinasa Yuan’s Seed kosa no avy amin’ny ankilany.
Laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny fambolena vary safiotra manomboka. Manenjika ny fanamby amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny fitondrana malagasy. Mihevitra ny hametraka an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina sy i Afrika rahateo ny fiadidiana ny repoblika.
Anisan’ny tanjona ihany koa ny hampitombo avo roa na telo heny isaky ny hektara, amin’ny voka-bary eto Madagasikara. «Azo atao tsara ny manatratra ny tanjona sy vinan’ny fitondram-panjakana malagasy, mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasany», araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Yuan’s Seed, Yuan Dingan Longping.
Karazana vary safiotra 5 amin’ireo karazany 400 no ho volena eto Madagasikara. Karazany izay mifanaraka amin’ny toe-tany sy toetr’andro. Efa niara-niasa tamin’i Madagasikara, nandritra ny 15 taona ny Yuan’s Seed, tamin’ny alalan’ny fikarohana ny karazana vary safiotra mety eto Madagasikara. Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Hisy ny fananganana fotodrafitrasa famokarana masomboly safiotra ao Morondava, faritra Menabe.

Lin

Partager sur: