Minisitry ny Atitany : “Zava-dehibe ny fidinana ifotony”

Zava-dehibe ny fidinana ifotony, izay tokony hataon’ireo tomponandraiki-panjakana mba hijerena ny filan’ny vahoaka sy hamahana ny olana hatrehin’izy ireo eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika. Anisan’ny nisongadina sy nohamafisina tamin’ny fihaonan’ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tamin’ny fidinana ifotony tany amin’ny prefektoran’i Tomasina sy Fenoarivo Atsinanana, ny faran’ny heriandro teo. Anisan’ny nanatrika ny fihaonana tamin’izany ireo solontenam-panjakana isaky ny distrika notarihin’ny lehiben’ny fileovana na ny prefet tany an-toerana. Mifototra amin’ny fomba fitantanana fanjakana manakaiky vahoaka kosa izay fidinana ifotony izay.
Nasiany teny manokana tamin’izany koa ny amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ny fampivoarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, ny fanamafisana ny andraikitra sahanin’ireo lehiben’ny boriborintany sy ny lehiben’ny fokontany eny anivon’ny fari-piadidiany avy. Nohamafisiny ihany koa ny andraikitra lehibe sahanin’ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo lehiben’ny fokontany ary ireo komity loharano eny ifotony. Tsiahivina fa misehatra amin’ny lafiny maro eny anivon’ny fiarahamonina ny komity loharano.

R. Nd.

Partager sur: