Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM.
Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny tahan’ny ankizy miala an-daharana ao amin’ny faritra Anosy ihany koa izany. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Anosy sy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren), ny Cisco Tolagnaro ary ny Rio Tinto QMM nahafahana nanao ny hetsika. Mba hanenana ny fandaniam-bolan’ny ray aman-dreny. “Resy lahatra izahay fa ny fidirana amin’ny fanabeazana dia fitaovana iray amin’ny fampandrosoana », hoy Isabelle Wabete, Tale mpanatanteraka ao amin’ny Rio Tinto QMM. Maneho ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fiantohana ny fanomezana kojakoja fototra ho an’ny ankizy any amin’ny faritra Tolagnaro. « Manantena izahay fa hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina ihany koa ny ezaka tahaka izao », hoy i Voahary Rakotovelomanantsoa, Governoran’ ny Faritra Anosy.
Laharam-pahamehana ireo kaominina valo ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro voakasiky ny hetsika. Anisan’ izany, ny kaominina ambanivohitra Ampasy Nahampoana, izay ahitana mpianatra 2 310. Ny kaominina ambanivohitra Mandromondromotra, ahitana mpianatra 1 894. Ny kaominina Fort-Dauphin, ahitana 1 698. Ny kaominina ambanivohitra Manambaro, misy mpianatra 1 615. Ny kaominina ambanivohitra Sarisambo, ahitana mpianatra 650. Ny kaominina Soanierana, misy mpianatra 571. Ny kaominina Iaboakoho, misy mpianatra 1 108 ary ny kaominina Mahatalaky, ahitana mpianatra 948.
Mpianatra 11 258 no tratrarina amin’ity taona ity
Amin’ity taona ity, mpianatra manodidina ny 11 258 mitsinjara amin’ny kaominina valo no hisitraka fitaovam-pianarana. Ahitana sekoly ambaratonga fototra (EPP) 34, avy amin’ny mpianatra garabola hatramin’ny T5 ny 20% amin’izy ireo. Manodidina ny 215,000 dollars ny teti-bola natokana hanaovana izany. Ankoatra izay, anisan’ny asa nataon’izy ireo koa ny fizarana vatsim-pianarana indray mandeha isan-taona sy fizarana fitaovam-pianarana isaky ny fiantombohan’ny taom-pianarana tahaka izao.
Mino