Noraisim-potsiny! Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary mpanao fisafoana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2) tao Bekalalao, kaominina ambanivohitr’i Fanandrana distrika Toamasina II, ny alin’ny 7 septambra 2024, no nahatrarana ireo telo lahy nangalatra lafarinina. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana kamiaobe iray nijanona teo amoron-dalana, tao Ampasimadinika Ranofotsy, ary nahita olona mampiahiahy teo ivelan’io kamiaobe io. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanamarinana rehetra ka nisy tokoa ity olona hafahafa fihetsika ity. Nitsoaka avy hatrany ireo olona dimy nangalatra lafarinina niaraka tamin’ireo fitaovana fangalarana izany. Tratra avokoa anefa ireo olona fito tompon’antoka tamin’ity halatra ity, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’ny mpamilin’ilay kamiaobe. Nahitana gony telo feno lafarinina milanja 100 kg. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa hakan’izy ireo kely avokoa ireo gony misy lafarinina nentin’ilay kamiaobe. Eo amin’io toerana io no fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary. Iray amin’ireo kosa mpandray ny entana halatra. Ao indray ireo mipetraka ao Ranofotsy Ampasimadinika. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny zandary.
J.C