SOMBIM-BAOVAO

Natao tao amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, amin’ny taranja rugby, federaly II, « XXL Top 20 ». Noresen’ny ekipan’ny CRAI Ambalavao Isotry, tamin’ny isa 20 no ho 15, ny klioban’Ikopa. Tsiahivina fa izay laharana roa voalohany amin’ity Top 20 ity no miakatra Top 12.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona, ligin’Analamanga, taranja taekwondo, “poomsae” sy “kyorougi”. Nanjaka tanteraka teo amin’ny sokajy junior ireo ankizy mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ho any Korea, ny volana oktobra.
Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taranja tenisy, “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, i Madagasikara, manomboka ny 23 septambra ho avy izao. Fifanintsanana izay natokana ho an’ireo tanora teraka ny 2006 hatramin’ny 2011. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), hatao ny 23-29 ny leg I ary ny 30 septambra -6 oktobra ny Leg II.
Hotontosaina anio, any Rwanda, ny fifanandrinan’i Rwanda sy i Nigeria. Lalao izay tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Tsiahivina fa ny ekipam-pirenena nizerianina no laharana voalohany ao amin’ity vondrona D ity.

Partager sur: