Mananika ny 300 tapitrisa Ar eo ho eo ny vola azon’ireo olon-dratsy nandritra ny tranga fakana an-keriny nataon’ireo dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe, nanomboka ny fiatombohan’ny taona. Olona 26 voasambotra, omaly.
“Manodidina ny 300 tapitrisa Ar ny vola azon’ny mpaka an-keriny tamin’ireo fianakaviana lasibatra nanomboka ny fiatombohan’ny taona”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Analamanga, Lietnà Kly Tojo Raolijon, tetsy Ankadilalana, omaly. Mitaky lelavola amin’ireo lasibatra ny olon-dratsy ka misy amin’ireo fianakaviana tsy sahy mitoroka amin’ny manam-pahefana noho ny fahatahorana ny ain’ny havan’izy ireo. Voatery manao fifanarahana antsokosoko amin’ireo mpaka takalonaina, noho izany, ny havan’ireo olona lasan’ny dahalo. “Na izany aza, misy amin’ireo olona iharan’ny fakana an-keriny tsy mampitombo ny lelavola nomena ireo dahalo”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy hilefitra fa hamongotra hatramin’ny fakana ireo rehetra mpiray tsikombakomba amin’ity fakana an-keriny ity ny mpitandro filaminana.
26 voasambotra
Voasambotra avokoa ny olona 26 mianadahy voasaringotra amin’ny tranga fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. “ Efa namoahana didy fikarohana ny telo tamin’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lefitry ny OPS ZDS Ikopa, Kly Ratolojanahary. Olona miisa dimy tamin’ireo tratra tetsy Ankadindramamy, izay fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny tany Amparatanjona. Nitaky lelavola 3 tapitrisa Ar tamin’ny olona nalainy an-keriny ireo olon-dratsy ireo. Efa nisy sefo fokontany, mpiandry fonja hatramin’ny ben’ny Tanàna voasaringotra tamin’ny fakana an-keriny hatramin’ny fiantombohan’ny taona, araka ny fanazavana hatrany. Mitotaly 97 ireo olona efa voasambotra nanomboka ny volana janoary. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Tafika sy zandary miisa 9 koa efa notanana vonjimaika am-ponja noho ny firaisan-tendro amin’ireo tsy valahara.
Tsiferana R.