VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fitaovam-pamokarana ny tantsaha, anaty fikambanana miisa 8, ahitana mpikambana 920 any amin’ny kaominina Ranopiso, faritra Anosy, ny 8 septambra teo. Anisan’izany ny «motoculteurs» miisa 4 miaraka amin’ny «remorques», angadin’omby 40, sarety 7, siny fanondrahana 28, motopompe, 2, hersa, masomboly katsaka sy tsaramaso.
Niofana ireo teknisiana malagasy, handray anjara amin’ny adisisika hiatrehana ny fihaonambe miisa telo ao anatin’ny Fifanarahan’i Rio. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny masoivoho britanika eto Madagasikara.
Nahazo lakana vita amin’ny «fibre de verre» sy fitaovam-panjonoana maro ny mpanjono miisa 125, any Ambinanibe, Taolagnaro. Anisan’izany ny fitaovana mampitsingevana (système de flottaison) mahazaka olona 4 sy vokatra 300 kilao, fitaovana fiompiana trondro, toy ny
«pompe à eau», harato 100, salotra vonjy aina 30, sns.

Partager sur: