Mipoapoaka ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo mpaka olona an-keriny. Mihazakazaka ny hazalambo. Angaredona tsy misy ohatra izany, tao anatin’ny andro vitsy. Olona ampolony no nampiakarina taty an-drenivohitra, hanaovana fanadihadiana eny amin’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava.
Mahavelombolo, mamelona fanantenana ho an’ny mpanara-baovao rehetra, indrindra ny aty an-drenivohitra izany. Raha ho an’ny any ambanivohitra anefa, mbola misy baraingo goavam-be iandrasan’izy ireo valiny. Sanatrian’ny vava intelo mahita ny maizina izy ireo. Lasibatry ny mpaka an-keriny, andaniny. Lalaovin’ny manampahefana, ankilany. Mizaka ny voka-dratsin’ny « fanodinam-baovao » isan-karazany izy ireo.
Misy ny vaovao ofisialy, mitatitra ny ezaka sy asa vitan’izy ireo. Tena niandry vava latsaka avy amin’ny filohan’ny Repoblika fotsiny dia vita tanatin’ny herinandro ny asa tsy novitaina nanomboka ny volana novambra. Fotoana nanombohan’ny hetsika manokana « Harato 2 », ary nampirongatra tanteraka ny fakana olona an-keriny.
Zary fitadiavam-bola sy « Afera » lehiben’ny sokajin’olona tsy voafaritra mazava ilay izy. Marina, misy ny lonilonim-pianakaviana, ka nahatonga ny fifampisomparana sy ny fifamaliana faty. Antony novoizina ombieny ho mahatonga ny tranga fakana an-keriny. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana dia mipetraka ny fanontaniana. Tena izay tokoa ve?
Hafahafa ny zava-miseho! Mampiahiahy fa misy vondrona migoaka tombontsoa amin’io raharaha io. Ireto jiolahy mivozon’akanjo fotsy na ny dahalo ambony latabatra. Mamadika ny zava-misy ho loharanon-karenany. Tranga iray nampahonena ny mahakasika ireo olona dimy indray novonoina. Inona ny zava-niseho? Iza no tena atidoha? Nandoa vola sa tsia tokoa ny fianakaviana?
r.r