Nanainga ny alahady teo, ho any Lyon, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fifaninanana “World Skill Competition”. Ekipa 15 no handrafitra ny delegasiona ary handray anjara mivantana amin’ny sehatry ny fandrariana Ranaivoson Antraniaina Todisoa sy Ramananjatovo Toniniaina Ismaël. Samy avy amin’ny kaoperativa Maharisoa izy ireo.
Hanampy azy ny mpanazatra sy ireo tanora miisa telo. Manara-maso hiatrika ny fifaninanana amin’ny taona 2025 any Zambie ny avy amin’ny Asfor izay mpahay momba ny elektrika, eo koa ny avy amin’ny LTP Toamasina ary ny avy etsy amin’ny LTPGC Mahamasina misehatra amin’ny taotrano…
Sehatrasa maherin’ny 50 no hifaninanan’ireo tanora latsaky ny 25 taona avy amin’ny firenena maro ao anatin’ity fifaninanana ity. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny manana solontena amina fifaninanana fahaiza-manao iraisam-pirenena toa izao. Fotoana hanasongadinana fa manana tanora tsy mena-mitaha amin’ny hafa i Madagasikara.
Mampirisika indrindra ireo tanora hiantsehatra amin’ny fampianarana teknika ihany koa ny ainga entin’ireto mpandray anjara ireto.
Tatiana A