Ady amin’ny fakana an-keriny: mila helikoptera sy «drones»

Tonga ny fotoana tokony hampiasana ny helikoptera sy ny ”drones” nampanantenaina ny taona 2018. Mila izany ny toe-java-misy vokatry ny fakana an-keriny sy famonoana olona.

Miara-mirona ny mpitandro filaminana avy amin’ny vondrona telo tonta : polisy, zandary, Tafika tao anatin’ny herinandro izao. Midina hatrany ambanivohitra ny polisim-pirenena izay natokana hiasa an-tanàn-dehibe hatrizay. Amin’ny ankapobeny, efa nahitam-bokany ny ezaka raha ny vaovao ofisialy. Mihazakazaka ny fisamborana sy ny fahatrarana fitaovam-piadiana. Raha ny zava-nisy, afakomaly, efa nisy ny fifandonanana sy ny ankitifitifitra teo amin’ny olon-dratsy sy ny mpitandro filaminana avy any amin’ny tanànan’i Manakana. 15 lahy no voalaza fa nitondra mpaka an-keriny.

Mpifindra monina

Efa tsy misy tanàna mampiantrano ny olona voalaza fa dahalo amin’izao fotoana izao, araka ny fanadihadiana natao tany ifotony. Misafidy ny ho mpifindrafindra monina any anaty akata sy ala mikitroka ny mpaka an-keriny. Raha ny mahakasika ireto mpaka an-keriny niery tao anatin’ny alabe akaikin’i Manakana, Anjozorobe, ireto dia hombam-bady aman-janaka ry zalahy. Mazava ho azy fa manao vy very ny ainy izy ireo amin’ny fiarovana ny « remby » na ny takalonaina, izay fidiram-bolany, andaniny. Manao izay tsy ahafaty ny ankohonany ihany koa izy ireo. Samy manao vy very ny ainy na ny mpitandro filaminana na ny olon-dratsy.
Ankarongana

Anisan’ny kizo iray, mila ravana, raha ny fijoroana vavolombelon’ny mponina avy any Marotsipoy ny ao Anka­rongana, any avaratr’Ambo­hibary Volena, distrika Anjo­zorobe. « Efa nisy ny fizaram-baovao avy amin’ny mponina nalefa tany amin’ny zandary. Nisy ny mpanao hetsika nidina tany ifotony saingy niala maina. Raha ny zava-misy renay mponina dia efa maherin’ny 30 lahy, izay samy manana basy mahery vaika no miery amin’izany toerana izany. Manao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo », hoy ny raiamandreny iray nanaiky ny nanaovana fanadihadiana, saingy nangataka ny tsy hotononina anarana, noho ny tahotra. Manamarina ny fisian’ity kizo ity kosa anefa ny zandaramariam-pirenena.

Drones

Anisan’ny fitaovana tena ilaina ary mahomby amin’ny fandravana ny toby famaharan’ireo mpaka an-keriny ny helikoptera sy ny « drones ». Ity farany izay sady afaka maka sary sy tsy hamoizana ain’ny mpitandro filaminana no tena mahomby indrindra. Anisan’ny hodidina tsy maintsy homen-danja ny lafiny vohon-tany izay vohitra mitandavana, elanelanina ala mikitroka. Mazava ho azy fa loza mitatao ho an’ny mpitandro filaminana, izay marisarisa amin’ny fitaovana ny fidirana anatin’izany. Tsy misangy rahateo ny olon-dratsy izay manana fitaovana maro lavitra.
Nandritra ny sivy volana nisian’ny hetsika no niantsoantso helikoptera ny mpampandry tany saingy tsy mbola nahazo. Zary fitaovam-pitaterana ny manampahefana hanao iraka ny angindim-by. Fotoana tena ilan’ny vahoaka madinika izany izao!

Tsy misy intsony ny hasin’ny aina fa ny vola no manjaka

Anisan’ny soatoavina notandreman’ny fiarahamonina, fahiny, fatratra ny fahendrena sy ny fifanajana. Ankehitriny, mirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana sy ny trangana fakana an-keriny ary ny famonoana olona amin’ny endriny maro samihafa, raha ny zava-misy. “Efa tsy misy intsony ny fitandroana ny hasina sy ny fahamendrehan’ny olombelona eto Madagasikara amin’izao fotoana izao noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana isan-karazany eto amin’ny firenena”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Nambarany fa very fanahy noho ny fitiavan-karena sy vola ary voninahitra ny olona ka lasa mahavita mamono olona sy mamaly faty. Manampy izany koa ny hanoanana mianjady amin’ny olona, ny firongatry ny zava-mahadomelina. Eo koa ny tsy fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy, noho ny vola sy ny kolikoly. “Na ho polisy sy ho zandary ary ho miaramila avokoa aza ny vahoaka malagasy dia mbola hisy ny tsy fandriampahalenamana rehefa very fanahy sy hasina ny maha olombelona eto amin’ny firenena”, hoy hatrany izy.

Nanatontosa :
J.C sy Tsiferana R. ary Mino

Partager sur: