Ankoatra ny asan-jiolahy, miseholany ao Toamasina, mandravarava koa, ny haintrano. Tao anatin’ny 19 ora monja, trano maro no indray kila forehitra hohotohon’ny afo. Olona 30 mahery tsy manan-kialofana raha entana antapitrisany maro levon’ny afo miampy ny vola tahiry tao an-trano. Ny alatsinainy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora, trano vato misy rihana valo tao Ambalamanasy, carreaux 1, no nirehitra. Tonga ara-potoana ny mpamponjy voina saingy nanano sarotra ny asam-pamonjena noho ny lalana tsy antonona ny kamiaoben’ny vondrona mpamonjy voina. Na teo aza anefa izany, nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ihany izy ireo ka voafehy tanteraka izany adiny iray taty aoriana. Omaly maraina tamin’ny 9 ora, trano hazo miisa enina no indray levon’ny afo hatramin’ny entana rehetra tao an-trano tao Analankinina Hopitalibe Parisela 12/12-22. Voatery tsy maintsy narodana ny trano telo mifanila amin’ireto trano nirehitra ireto mba tsy hiitaran’ny afo. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondrona mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, ny Kly Charles Désiré, mafana ny andro amin’izao fotoana izao, tsy tokony hisy afo mirehitra ao an-tokantrano raha hiala ao an-trano. Tokony hoesorina avokoa izay zavatra mandeha amin’ny herinaratra mba hisorohana ny fahatapahan’ny herinaratra ka miakatra be ny tanjany rehefa miverina tampoka. Nambarany nefa fa vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra avokoa no nahatonga ireto haintrano ireto.
Sajo/J.C