Nampahafantarina ny 10 septambra 2024 teo ny fandaharanasa vatsim-pianarana Airtel Africa, ho an’ny mpianatra hiditra ao amin’ny Sekoly ambony mahakasika ny teknolojia (IIT Madras Zanzibar).
Hanohanana ny mpianatra mendrika, nefa sahirana ara-pivelomana, ity vatsim-pianarana ity. Sekoly ambony voalohany natsangan’ny Indian Institute of Technology Madras (IITM) any ivelany ny any Zanzibar Tanzania. Mandritra ny 4 taona ny fianarana momba ny Siansa mahakasika ny antontam-baovao sy ny faharanitan-tsaina artifisialy. Mitotaly 500 000 dolara ny vatsim-pianarana homen’ny Airtel Africa, ho an’ny mpianatra miisa 10, avy amin’ny firenena 14, ka anisan’izany i Madagasikara. Hahazo vatsim-pianarana 12 000 dolara tsirairay avy ny mpianatra, miampy 500 dolara hanampiana ny fivelomany.
Nilaza ny minisitry ny Fanabeazana sy ny fiofanana arakasa Tanzaniana, Rtoa Lela Mohamed Mussa, fa « manoritra lalana hanatsarana ny fampianarana teknika ny IITM Zanzibar. Laharam-pahamehana ho anay ny fahafahana mpianatra tanzaniana sy ny afrikanina hafa mandranto fahaizana ».
Nambaran’ny filohan’ny Fondation Airtel Africa, ny Dr Olusegun Ogunsanya, fa « faly izahay miara-miasa amin’ny IITM Zanzibar, hanampiana ny tanora hahazo fanabeazana tsara kalitao. Anisan’ny hampandrosoana maharitra an’i Afrika ity hetsika ity. Hotohizanay ny fampiroboroboana ny sehatra ara-bola sy ny niomerika ary ny fiarovana ny tontolo iainana ».
Nanamarika ny talen’ny IITM, ny Pr V. Kamakoti, fa misokatra amin’ny firenen-kafa ny sekoly any Zanzibar, mba hanana lanja iraisam-pirenena. Tanteraka izany, vokatr’izao fiaraha-miombon’antoka amin’ny Fondation Airtel Africa izao.
Njaka Andriantefiarinesy