Mpandeha moto sy olon-tsotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tra-doza, teo Anosy, omaly. Niraikitra tampoka ny mpanafaingam-pandeha, tsy voafehin’ny mpamily intsony, noho izany, ny fiara. Vokany, tapa-tongotra ilay olon-tsotra niharan-doza. Tsy nijanona raha tsy tao anatin’ny farihin’Anosy ilay fiara 4×4. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity. Nentina nanaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ny lasibatra. Niroso tamin’ny fangalana ny fiara tao anatin’ny faritry ny ranon’Anosy ny tomponandraikitra. Nanokatra fanadihadiana ny polisy. Ilana fanaraha-maso sy fitsirihana teknika hatrany ny fiara ahafahana misoroka ny loza toy izao, raha ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana. Mila fehezina koa ny hafainganam-pandeha na eo aza ny hatsaran’ny fiara entina. Anisan’ny miteraka ny loza mantsy ny tsy fahatomombanan’ny fiara sy ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra.
Tsiferana R.