Fampandrosoana ara-toekarena: hitondra tombontsoa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Sany Group

Fiaraha-miasa maro no azon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny dian’izy ireo tany Chine. Ankoatra ireo nosoniavina nandritra ny « Focac 2024 ». Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa tsy miankina sinoa.

Anisan’ireo fihaonana na­taon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tany Chine, ny fitsidihana ny Sany Group. Orinasa iray fanta-daza maneran-tany amin’ny fikirakirana ireo teknolojia hiaka farany amin’ny asa famokarana ataony. Eo ihany koa ny traikefa ananany amin’ny famokarana angovo azo havaozina. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fiarahana miasa aminy, indrindra amin’ny fanatrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny fivadihana amin’ny fampiasana ny angovo ho angovo azo havaozina.

Fahaizana mifehy sy mikirakira ireo teknolojia hiaka farany, fahazoana traikefa amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tontolon’ny asa vaventy sy ny fanamboarana fotodrafitrasa, angovo. Ireo no tombony ho azon’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Sany Group. Ankoatra izay, tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ihany koa, raha mitsangana eto amintsika ny foiben’ity orinasa ity, ny ho fanomezan-tanana amin’ny fanatanterahana haingana ireo fotodrafitrasa tena ilaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, toy ny lalana, tetezana, ary ny fotodrafitrasa mahakasika ny angovo.

Maneho ny fahatokisana an’i Madagasikara, ho firenena azo hampiasam-bola sy handraharahana, indrindra ao anatin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao, ny fahalianan’ny Sany Group hiasa eto amintsika. Antenaina hitondra fanatsarana sy fandrosoana ho an’ny toekarena malagasy ihany koa ny ho fijorony eto an-toerana.

Lin

Partager sur: