Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo filohan’ny federasiona, afakomaly, teny amin’ny Palais des sports Mahamasina, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ireo filohan’ny federasiona tazana nanatrika ny fotoana. Anisan’izany ny mpitantana ny taranja bisikileta, ny fibatana fonjamby, ny tenisy ambony latabatra, ny badminton, ny Taekwondo, ny volley-ball, ny rugby, ary ny basikety sy ny “voile” na ny lalao eny an-dranomasina.
Tanjona tamin’ity hetsika ity ny fihainoana ny hetahetan’ireto mpitarika ireto sy ny olana tena misakana amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto an-toerana. “Nahavelombolo tokoa ity fihaonana tamin’ny minisitra ity, ary antenaina fa handroso amin’ny lavitra kokoa ny fanatanjahantena eto Madagasikara” hoy Relaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja bisikileta.
Nilaza moa ny minisitra fa hiezaka ny hitady vahaolana haingana, saingy nametraka fepetra ihany izy mahakasika ny fanarahan-dalàna izay tokony hataon’ny federasiona tsirairay. Tsiahivina fa mbola maro ny adidy miandry ny MJS. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny famerenana ny fankatoavan’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina. Efa nijery sy nitsidika izany teny an-toerana ny tenany, ny zoma lasa teo.
Fitia Randria