Mitarika ny famolavolana ny tetikasa “Lake Iarivo” ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Nidina ifotony nanomboka teo amin’ny lalan’i Tsarasaotra hatrany Ivato ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera 5 hiara- hifarimbona amin’ny fanatsarana ny “rocade Iarivo” ho maoderina.
Ho fanomanana sahady ny fotodrafitrasa handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra 2025 izany. Misy ihany koa ny asa lehibe hatao, ny fanamboarana ny autoroute, miainga eo amin’ny Pk0 mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
Ny SENVH no hamolavola ireo tetikasa ka samy handray ny asa manandrify azy avy ny minisitera efatra hafa. Anisan’izany ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), ary ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT).
Goavana sy maro loha ny fotodrafitrasa hotanterahina ka mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny hahalavorary azy. Tsy tokony hitsanga-menatra i Madagasikara, araka izany, mandritra ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Sadc.
Tatiana A