Faritra Atsimo Andrefana, Anosy, Androy: nofanina ireo hanentana mialoha eny amin’ny fiarahamonina

Tena ilaina eny amin’ny fiarahamonina ireo olona manao fanairana sy fanentanana mialoha ny fiavian’ny loza. Nofanina ireny olona ireny tany atsimon’ny Nosy mba hahavita ny asany araka ny tokony ho izy.

Voasafidy ireo Warner na mpanentana amin’ny fanairana rehefa hisy loza mihaodihaody any amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy. 135 izy ireo no notsongaina manokana hanatevin-daharana ny rafi-panairana mialoha ny mpiara-belona eny ifotony.
Nofanin’ny BNGRC ireo Warner ireo. Nomena finday tsi­rairay ary nampianarina hampiasa izany mba hampita vaovao haingana aty amin’ny foibe rehefa misy tranga tsy milamina eo anivon’ny samy mpiara-belona, na koa rehefa misy loza mananontanona ny fiarahamonina.
Manana fahavitrihana, fa­ha­zotoana, traikefam-panentanana vahoaka, ary milatsaka an-tsitrapo ny Warner.
Hanampy ny asa efa ataon’ireo olona mpisintona lakolosy, mpanao ny pai-by, mpitsoka trompetra, mpampidoboka amponga, mpikoka…izy ireo.
27 ireo hiasa ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, 38 ho an’ny faritra Androy ary 69 ho an’ny faritra Anosy.
Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no ahafahana manao ny tetikasa ary niarahan’ny ekipan’ ny BNGRC miombon’antoka amin’ny tetikasa Mionjo.Heve­rina fa hanatsara ny fampiakaram-baovao, hampitombo ny hafaingan’ny fampitàna fanairana avy amin’ilay rafitra ifotony enti-manaitra ny fiavian’ny loza sy enti-manetsika ny asa vonjy ilaina haingana ireo olona notsongaina manokana ireo.
Tanjona ny mba tsy hisy olona hadino na iray aza tsy hotakatr’ireo antso fanairana nalefan’ny tomponandraikitra rehefa mananontanona ny voina ary mitatao ny loza. Ho tonga ara-potoana izany rehetra izany mba hiarovana ny ain’ny olona sy hampihena araka izay tokony ho izy ny mety ho voka-dratsin’ilay loza raha toa tena mihatra tokoa izany.

Tatiana A

Partager sur: