Manohy ny asa fanarenana ny fefilohan’i Sisaony sy Ikopa ny tetikasa Produir izay tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
Miaro ny tanànan’Antananarivo amin’ny tondradrano ny fefiloha ka tena saro-pady. Mahatratra 735 000 ireo mponin’Antananarivo sy ny manodidina ho voaaro amin’ny tondradrano noho ny fanamafisana ireo fefiloha ireo.
Efa vita ny ampahany mirefy 3 020 m, notanterahin’ ny orinasa matanjaka iray. Toraka izany ny ampahany mirefy 1 300m nataon’ny orinasa hafa.
Miroso miandalana ny ampahany manaraka ka ny 10% ankehitriny no vita amin’io andiany faha-3 sy faha-4 io, raha ny fanazavana. Nisy ny toerana nametrahana fotodrafitrasa vonjimaika hahafahan’ny fiara sy ny fitaovana lehibe manatanteraka ny asa.
Ho an’ny kaominina Bemasoandro, efa vita tanteraka ny ilany amin’ny fefilohan’i Sisaony izay nisy fahasimbana vokatry ny rivodoza nifanesy.
Tatiana A