Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny delegasiona avy amin’ny Centre national emploi et formation aux métiers du Bâtiment et Travaux Publics (BTP). Nampahafantarana ireo tetikasa izay hiarahan’ny roa tonta ny fihaonana. Mikendry ny fanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny dinika.
Mampahafantatra ny fitaleavana misahana ny aretina tsy mifindra mahakasika ny aretina Alzheimer fa azo sorohina mialoha ny fahazoana izany aretina izany. Vokatry ny fahasimban’ny selan’ny atidoha no mahatonga ny aretina. Manomboka amin’ny selan’ny fitadidiana ary miitatra amin’ny asan’ny atidoha iray manontolo avy eo.
Sady haingo no fahasalamana ny nify ka mendrika kolokoloina. Ilaina ny manadio nify isaky ny avy misakafo. Ho an’ny zazakely mbola tsy misy nify dia sasana amin’ny lamba malefaka ny akanjo nify. Fadiana ny mihinana sakafo mamay loatra na mangatsiaka loatra fa mety tsy ho zakan’ny nify izy ireny.
Hiverina ny filaminana eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena. Niala ireo mpivarotra nanemitra ny kianja. Nitohy tamin’ny fandaminana ny Arcades Analakely sy ny manodidina izany. Nisy, araka izany, ireo mpivarotra izay mamoaka ny entana ivelan’ny tsena fivarotany notenenina mba hanala izany. Toy izany koa ireo izay mivarotra anaty lalana ka miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana.