Voasambotry ny zandarimaria ny olona miisa fito saika hamaky fasana tao amin’ny kaominina Mantasoa, ny 8 septambra teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo.
Lehilahy enina sy vehivavy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fikasan-dratsy hanao vaky fasana tao amin’ny fokontany Lohomby, kaominina Mantasoa, distrika Manjakandriana, ny 8 septambra teo. Nihaodihaody teo amin’ny faritra misy ny fasan’andriana, anatin’io fokontany io, ireo olona ireo. Tsikaritry ny fokonolona nefa izy ireo. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ny mponina manodidina. Nigadona teo amin’ny toerana voalaza ny zandary saingy efa nandositra avokoa ireo mpanao ratsy, tamin’ny 5 ora hariva. Tavela tsy lavitra ny fasana ny fitaovana nampiasan’ireo mpamaky fasana.
Sarika am-pandriana
Nanao fanadihadiana lalina ny mombamomba ireo olona voasaringotra tamin’io tranga io, ny zandary miasa ao Mantasoa. Fantatra avokoa ny anarana sy ny toeram-ponenana nisitrihin’ireo olona ireo. Natao sarika am-pandriana tsirairay avy. Mponina avy etsy Ambatomaro, boriborintany fahadimy ny roa. Tratra tao Ikianja Ambohimangakely ny iray raha toa ka avy ao Ambohijanaka sy Mantasoa ny namany hafa. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha.
Tsiferana R.