SOMBIM-BAOVAO

Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny klioba mpilalao ny taranja tolona, CSLA na « Club sportif lutte Ambohimanarina. Araka izany, hisy ny fifanintsanana izay ho karakarain’izy ireo, eny amin’ny Epp Anosivavaka, manomboka ny sabotsy 5 oktobra ho avy izao, tsiahivina fa natokana ho an’ireo sokajy zandriny U11 sy U13 izany.
Efa ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, ny Ankoay lahy sy vavy, amin’izao fotoana. Fifanintsanana izay hotanterahina eto Antananarivo, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsiahivina fa efa manana traikefa i Madagasikara, efa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehin’izy ireo.
Hitsahatra kely indray ny lalao rugby, etsy amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena, araka ny vaovao voaray teo anivon’ny federasiona. Hifindra eny amin’ny stade Annexe Makis Andohatapenaka, ny lalao telo izay hatao ny alahady ho avy izao. Nomarihin’ity loharanom-baovao iray ity fa hiverina eny ihany izany, aorian’ny faran’ny herinandro, raha tsy misy ny fiovana.
Nahazo fahombiazana ny ekipam-pirenena frantsay les Bleus, afakomaly alina, tao amin’ny kianjan’ny Parc Ol France. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny ekipa nasionalin’i Belgique. Ry Kolo Muani sy Dembele no nahatafiditra ny baolina ka nivoaka ho mpandresy tamin’izany i France.

Partager sur: