Tao anatin’ny telo volana : 170 miliara ny euros nandalo teto Madagasikara

Mitotongana hatrany ny sandam-bola malagasy. Tao anatin’ny iray volana, manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray. Omaly, nisanda 4 965,52 Ar ny euro iray, raha 4 524,70Ar kosa ny dolara. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitananam-bola, fa « mihena ny fampiasana ny euro eto amintsika raha oharina amin’ny dolara. Manodidina ny 170 miliara ny vola euro nivezivezy teto Madagasikara tao anatin’ny telo volana. Tafakatra hatrany amin’ny 1 000 miliara dolara kosa izany ho an’ity vola Amerikanina ity ». Tsy mifandanja ny fivezivezen’ireto vola vahiny ireto ka mahatonga ny vola euro midangana, araka ny fanazavana. Na izany, misy ny politika apetraky ny governemanta sy ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanaraha-maso sy hanamarinan-toerana ny sandam-bola.
Toekarena

Sarotra ny fitantanam-bola ho an’ny tokantrano tsirairay. Manampy trotraka ny olan’ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa isan-karazany, toy ny lalana, izay miteraka fitohanana lavareny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, indrindra ny lalam-pirenena. Eo ihany koa ny fiverenan’ny delestazy izay mampitaraina ny mponina. Simba ny fihariana madinika izay miankindoha amin’ny fampiasana ny herinaratra. Miantraika hatrany amin’ny famatsian-drano ny fihenan’ny rano ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andekaleka. Ankehitriny, misondrotra hatrany amin’ny 3 700Ar ny kilaon’ny vary « stock ». Niakatra 820Ar ihany koa ny vidin’ny atody.

Henintsoa Hani

Partager sur: