TARATRY ny KANTO

Tafatafa miaraka amin’i Dama. Izay no hiseho etsy amin’ny Fondation H Analakely, ny sabotsy 21 septambra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora hatramin’ny 4 ora sy sasany. Hiodidina ny lalana nodiavin’i Dama teo amin’ny mozika, izay mifototra amin’ny tadidy, izany. Misokatra ho an’ny rehetra, arakaraky ny toerana misy ny fotoana.

Nihaona tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ao Toamasina ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nihaino ny hetaheta sy nijery ny asa miandry izy. Amin’ny maha zanak’i Mara Armand, izay namorona ny Production Kaïamba azy, notolorana ny boky mirakitra ny tantaran’ny Kaïamba izay nosoratan’i Jean Kely sy Basth ny minisitra.

Tanterahina eny amin’ny FaraWest Faravo­hitra, nanomboka omaly hatramin’ny 20 septambra 2024, ny fiofanana “Tremplin Madajazzcar”. Hetsika tafiditra amin’ny fanomanana ny “Festival Mada­jazzcar”, andiany faha-35. Tanjona amin’izany ny hampitomboana ny fahaiza-manao sy traikefan’ireo mpiangaly ny gadona Jazz eto Madagasikara.

Ny Cie Koloture indray no hiaka-tsehatra eny amin’ny IFM Analakely, anio tolakandro, ao anatin’ny hetsika “Festival Temps Fort Danse” andiany faharoa. “Ny Kilemako”, io no lohatenin’ny soradihy izay entin’izy ireo manome fahafaham-po ny mpijery mandritra izany. Izy ity izay maneho ny sedra maro iainana sy lalovan’ireo olona manana fahasembanana.

Partager sur: