Nifanao fotoana tamin’ny vahoaka teny amin’ny tokotany malalaky ny Ankiembe ny depiote voafidy tany amin’ny faritra Toliara I, Tinoka Roberto, ny alahady teo. Anton’ny fihaonana ny fahatsapany ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana. Nitondra izay voatsirambin’ny tanana izy, nandritra izany, toy ny kojakoja, fitaovam-pianarana, fitaovan-dakozia isan-karazany ary nanome omby natao ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny mponina. Nahazo fitaovam-pianarana ihany koa ny ankizy mpianatra. Nomena vola dimy hetsy sy iray tapitrisa kosa ireo olon-dehibe isaky ny fokontany. “Manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia mila tohana sy fanampiana ny rehetra ka ilaina ny fanomezan-tanana eo amin’ny samy mpiara-belona”, hoy i Tinoka Roberto, solombavambavahoaka voafidy tany amin’ny faritra Toliara I sady filoha lefitry ny Antemierampirenena. Nanombohany ireo asa sosialy ireo ny tao amin’ny fokontany Mahavatsa I Andrefana sy Ankiembe ambony ary ankiembe ambany. Anisan’ny fokontany telo nahazoany vato ambony indrindra amin’ny fokontany 41 ao anatin’ny distrikan’i Toliara I ireo.
Tonga nanotrona ny asa sosialy nataony, ny depiote lany tany Ampanihy, Marco Tsaradia, sy ireo manam-pahefana tany an-toerana, toy ny ben’ny Tanàna sy ny prefen’i Toliara. Hotohizana amin’ny fokontany hafa izao ho fanakaikezana ny vahoaka.
Cms