Tontolon’ny hira: nodimandry i Fanaiky (Solomiral)

Lavo ny andrarezin’ny zavakanto malagasy. Vitsy ny manan-talenta tahaka azy, eo amin’ny tontolon’ny hira… Tsy ho tazana eny an-tsehatra intsony izany. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, i Fanaiky !

Rasolomahatratra Ny Herivelona, na i Fanai­ky.Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-54 taonany ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity. Sady mpamoron-kira no mpandrindra, mpitendry gitara beso i Fanaiky. Tao anatin’ny fotoana naharitra no efa niaina tsy fahasalamana noho ny aretin’ny voa izy. Taona 2018, efa nisy ny antso fifanomezan-tanana hoenti-manohy ny fitsaboana azy.
Nipoitra avy ao amin’ny fianakaviana manan-talenta i Fanaiky. Manamafy izany ny nanorenan’izy mirahalahy avy ny tarika Solomiral ny taona 1986. Vao 8 taona monja i Fanaiky dia efa nitendry gitara. Nandalina tsy tapaka momba izany, hany ka nivelatra be ilay talenta tao aminy. Tarika sy mpanakanto maro no niara-niasa taminy na teto an-toerana na ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ireny ny tarika Sixun, Didier Lockwood, Jaojoby, Lalatiana, Njava, Olombelo Ricky, Nicolas Vatomanga, Solofo Bota, Samoëla, sns.

37 taona niakarana sehatra… Rakikira dimy…
Tsy nitsahatra nikaroka i Fanaiky. Nipoitra avy amin’izany ny endrika vao ho an’ny mozika malagasy, toy ny « Jazz miteny ». Ankoatra ny seho an-tsehatra izay nahavitany ny 37 taona. Namoaka rakikira dimy izy. Nahenoina zava-baovao hatrany ny : «Melogasy», «Goma», «Kari­bo», «Bass’vav» ary ny «I-Jazz Fetisibal». Vitsy ihany ny seho sehatra sy hetsika momba ny « jazz » no tsy nametrahan’i Fanaiky ny dian-tanany. Maharesy lahatra ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpitia jazz ilay fomba fitendriny gitara, « tsy manam-paharoa ».
Nisy ny fanomezam-boninahitra manokana (nohiraina ny « Lanitra mangamanga ») nataon’ny ekipan’ny Anga­redona Mozika Festival vantany vao naheno fa nodimandry i Fanaiky. Tokony hiaka-tsehatra ny 22 septambra izao mantsy izy. Ny zoma 13 septambra izao no hametrahana ny nofo mangatsiakany ao amin’ny fasan-drazany eny Ambatobe Analamahitsy, rehefa avy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Ekar Md Etienne Ambanidia. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: