tsy niatrika ny cosafa : «Nanomana ny Can ny federasiona »

Hotontosaina any Maputo Mozambique, ny 26 septambra hatramin’ny 5 oktobra, ny fifanintsanana baolina kitra ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, «Cosafa Men’s”, sokajy U20, zazalahy. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara, raha ny vaovao voaray afakomaly. «Sahirana tamin’ny fikarakarana ny Barea izay miatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny Can 2025, izay natao tany Tunisie, ny federasiona”, hoy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tany Tunisie. Nanome toky nefa ity filohan’ny FMF ity fa tsy maintsy handray anjara amin’ny Cosafa i Madagasikara, amin’ny taona ho avy. Marihina fa voasokajy tao amin’ny vondrona B, miaraka amin’i Zambia, Angola, Namibia i Madagasikara, tamin’ity “Cosafa 2024” ity.
Ankoatra izay, nigadona, omaly tamin’ny folo ora alina, teny Ivato, ireo delegasionan’ny Barea izay avy niatrika ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, tany Tunisie. Nilaza ny mpanazatra ny ekipa nasionaly malagasy, Rakotondrabe Romuald Felix, fa hisy mpilalao hafa vaovao hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: