Vahaolana miainga ifotony

 

Anisan’ny lohalisitra tamin’ny velirano nataon’ny filohan’ ny Repoblika ho an’i Madagasikara, ny taona 2018, ny mahakasika ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Azo lazaina fa tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny. Nila­min­damina ny tanàna, indrindra ny tany ambanivohitra, nan­dritra ny fotoam-pitondrana voalohany.
Ny teto an-dRenivohitra no nahitana tranga maromaro noho ny fahantrana lalina. Voafehy kosa nefa ny fakana an-keriny teratany vahiny, izay nanala baraka an’i Madaga­si­kara, maneran-tany. Nahomby ny paikady noraisin’ny fitondrana mahakasika an’iny. Asa hanao ahoana indray aloha ny momba ny fakana an-keriny any ambanivohitra rehetra any?
Maro ny fanontaniana mipetraka, tsy ahitam-baliny, mahakasika ny tena zava-misy marina. Inona no mahatonga ny tambanivohitra tsy mahasaky mitoroka any amin’ny mpitandro filaminana ? Maninona no misafidy ny mifam­piraharaha amin’ny olon-dratsy ny fianakaviana. Iaraha-mahalala anefa fa manomboka mivadika ny olon-dratsy. Mahasahy mandatsaka aina.
Zary tsy misy hasiny kanefa dia vidian-dafo ny aina. Ataon’ny olona fitadiavam-bola an-kitsirano. Very ny soa toavina malagasy izay naorina tambony fifampitokisana sy fifampitsinjovana, fahiny.
Manoloana ny zava-miseho, manana adidy goavana ny olom-pirenena tsirairay mba hijery akaiky izay adidy azony raisina. Tsy afaka ny mifampiandry ny famahana ny olam-piarahamonina mikiky eto Madagasikara. Tsy misy azo atao raha tsy miainga eny ifotony ny fanovana toe-tsaina sy ny fitadiavam-bahaolana ho an’ny eny ifotony. Resabe, mijanona ho dokambarotra ny ankoatra an’izay.
Mila mahay mijery ny hodidina sy ny toe-javamisy vao afaka ny milaza fa mahafehy izatsy na izaroa. Tsy eny ambony latabatra no vahaolana.

r.r

Partager sur: