Vaky trano: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tompon’antoka tamin’ny vaky trano niharo fandratrana olona, telo lahy sy vehivavy roa voasambotry ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DSRP Sava, ny 8 septambra teo. Tra-tehaky ny fokonolona ireo olon-dratsy ikoizana amin’ny famakiana trano ao anatin’ny fokontany Ambodisatrana, kaominina Sambava, ireo. Nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana niseholany tao an-toerana avokoa izy dimy mianadahy ireto. Nahatrarana entana halatra teny amin’izy ireo. Nodarohin’ny fokonolona ireo telo lahy ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nigadona ara-potoana ny polisy ka voasoroka ny fihoaram-pefy nataon’ny mponina anivon’ny fokontany. Ankoatr’io, lehilahy iray nandratra mpiara-monina taminy koa voasambotra. Naratra mafy vokatry ny vono sy daroka nihatra taminy ny olon-tsotra iray ka nametraka fito­riana teny anivon’ny biraon’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: