Ady amin’ny kolikoly : hojerena isan-tsehatra ny paikady

“Tsy ny ambangovangony no horesahina, fa ho jerena tsara hoe: ahoana ny amin’ny fananan-tany, fandriampahalemana, fitsarana… ?”. Hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny atrikasa fakan-kevitra ho an’ny fa­ritanin’Antananarivo amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Jerena izay tena maharary ny vahoaka amin’ ny kolikoly. Anisan’ny nivoaka voalohany ny amin’ny fananan-tany sy ny fandriampahalemana ary ny fi­tsarana. Tsy ampy tamin’ny antsipiriany ny fandinihana isan-tsehatra tamin’ny paikady teo aloha. Efa fantatra mialoha kosa izany amin’ izao paikady vaovao izao, ka tsy hojerena ambangovangony fa hidirana lalina.

Misy ny zava-baovao hampidirina ao anatin’ny paikadim-pirenena vaovao: ny fiantriakan’ny kolikoly amin’ny vehivavy, amin’ny tanora, amin’ny fa­na­tanjaahantena… Hatolotra amin’ny 9 desambra, Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, ny paikadim-pirenena vaovao.

R. Nd.

Partager sur: